1 Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA , Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;

2 Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.

3 Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.

4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.

5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.

6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.

7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.

8 Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.

9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;

10 Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo* izy.[volpa]

11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.
